[go: up one dir, main page]

Aller au contenu

Andilan-dranomasin' i Gibraltar

Avy amin'i Wikipedia
Ny sarin' ny Andilan-dranomasin' i Gibraltar, azo avy amin' ny satelita.

Ny Andilan-dranomasin' i Gibraltar dia andilan-dranomasina ao atsimon' i Espaina sady ao avaratr' i Marôka, ao atsinanan' ny Ranomasimbe Atlantika ary ao andrefan' ny Ranomasina Mediteranea. Io andilan-dranomasina io no hany ahafahan' ny fifamoivoizana an-dranomasina mampitohy an' i Atlantika amin' i Mediteranea. Mirefy 14 km ny sakany ary 1 000 m ny halaliny. Tamin' ny Andro Taloha dia nantsoina hoe "Andrin' i Heraklesy" (grika: Ἡράκλειαι Στῆλαι / Hêrakleiai Stêlai; mitovy anarana amin' ireo tendrombohitra manamorona azy) io andilan-dranomasina io, nefa niova amin' io anarany ankehitriny io izy araka ny anaran' ilay jeneraly mozilmana berbera atao hoe Tariq ibn Ziyad, izay niampita azy mba hamabo ny Saikanosy Iberika tamin' ny volana Avrily taona 711. Atao hoe مضيق جبل طارق / Mudiq Jabal Tariq izy amin' ny teny arabo, Estrecho de Gibraltar kosa amin' ny teny espaniôla.